TSY AN’ASA DIA SAHIRANA

Mitombo ny Renim-pianakaviana miloka


  • Alakamisy 26 Septambra 2024

Ankoatra ny fisotroan-toaka dia mihamaro ireo Renim-pianakaviana lasa miloka eny anivon’ny

fiaraha-monina eny. Manao loto na manao karatra izy ireny izay marihina fa tsy misy andro maraina sy hariva intsony ary tsy hanavahana sokajin-taona. Raha noheverina ho fialam-boly izany teo aloha dia efa zary fiainana mihitsy ankehitriny vokatry ny fahasahiranana sy ny tsy fisian’asa. Any amin’ny fanaovana loka mantsy sisa izao no hitadiavan’izy ireo vola mba hampiodinana ny fiainana isan’andro. Anisan’ireny ny fitadiavana ny vary sy laokakely. Misy mahavita manao fond 1.000 Ar mihitsy vokatr’izany ny sasany raha 200 Ar no kely indrindra. Ho an’ireo efa mpilalao sy mpanao azy ity dia foiny mihitsy ny efitrano iray ao an-tokantranony mba hilokana hanaovana karatra arahin’ny fivarotana sigara sy toaka ho an’ireo Renim-pianakaviana mila izany. Birao no filazan’izy ireo io toerana io. Tsy ao anatin’ny kajin’ireo Renim-pianakaviana ireo intsony vokatr’izany ny fikarakarana ny tokantranony sy ny vady aman-janany. Tsy ao intsony koa izany hikarakara sakafo ho an’ny mpianatra mirava amin’ny 12 ora atoandro… izany. Ho an’ireo mahazo moa dia vita indray ny fiainana androany ary faly mamonjy fodiana rehefa amin’ny 06 ora hariva fa ho an’ireo tsy nahazo kosa dia mbola miaraka amin’ny sigarakely sy ny toaka hangatahana na trosaina izany ody risika hiatrehana ny ampitso indray.

Pati
Legende : Misy amin’izy ireny no revo eo am-pilalaovana karatra tahaka izao mandrapaharivan’ny andro !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT