Sosialy

Tsy ampy solika sy fiara ny BNGRC Fa lasa aiza ny vola ?


  • Alarobia 05 Febroary 2020

Faritra telo amin’ny fito no afaka hisitraka ny fanampiana avy amin’ny Birao misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC). Kely ny tolotanana voaangona nisy nanatitra teny.

Ny antony mahatonga an’io dia ny tsy fahatokisana ny BNGRC. Tsaroana tsara ny resa-bary 170 taonina tokony ho an’ny traboina izay nisy nanodinkodina. Tsy misy solika sy tsy ampy fiara hitaterana entana ka tsy tonga ara-potoana any amin'ny traboina ireo tolotanana voarainy (vary, voamaina, vola,…). Raha ny sakantsakana niteraka adihevitra momba ny fanampiana hoentin’ny hafa, dia tsy tokony ho izao no miseho. Nankaiza ireo fiara vaventy fanomezana tamin’ny Koreanina Tatsimo niaraka tamin’ireo fiarabe “Hopital mobile” efa nasian’izao fanjakana izao sary famantarana ny Repoblika sy ny loko volondoranjy ? 50 tapitrisa dolara ny fanampiana avy amin’ny Banky Iraisampirenena hoentina miatrika ny loza voajanahary ka nahoana no milaza ho manana olana ny BNGRC ? Tsy io Birao io izany no mitantana ny vola momba ny loza voajanahary. Natao ho rafitra fotsiny ve ny BNGRC fa tsy manana ny fahaleovantenany sy ny hoenti-manana intsony ? Raha mijery ny zava-misy, takon’ny Fiadidian’ny Repoblika amin’ny alalan’ny filoha mivady ny BNGRC. Na ireo fanampiana iraisam-pirenena avy amin’ny UNICEF, PAM,… aza toa ny filoha mivady sy ny ekipany no miditra an-tsehatra mizara azy, hany ka na ny minisitry ny mponina aza tsy hita tabilao. Mendri-piderana ny fihetsiky ny filoha mivady saingy tsy maintsy prezida ve no midina ? Efa nozarina ny olona, ka raha vao tsy filoha na praiminisitra no manatitra dia toy ny tsy nisy fanampiana. Lafo anefa ny saran’ny dia (logistique) rehefa ny filoha no mihetsika raha mihoatra ny sandan’ny zavatra zaraina. Mila ampandraisina anjara hifanome tanana ireo vondrombahoakam-paritra. Tena tsy ho vitan’izy mivady samirery ny resaka fanampiana sy vonjy voina ary izay no hilana ny BNGRC, ny minisiteran’ny mponina,…

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT