Sosialy

Tsy ampy ny fanazavana Manjavozavo ilay resaka fampiakarana karama


  • Talata 03 Mey 2022

Ny takarivan’ny fetin’ny asa ny 01 mey 2022 teo no nanaovan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fanambarana ny hampiakarana ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy ny sehatra tsy miankina,

taorian’ny dinika nifanaovana tamin’ny Vondron’ny mpandraharaha tsy miankina ny zoma 29 aprily lasa teo. Rehefa nifandinika dia nandroso ny fanapahan-keviny ny vondron’orinasa tsy miankina dia ny fampiakarana ny karama farany ambany izay 200 000 Ar ho lasa 220 000 Ar, izay manome taham-pisondrotana 9,9%. Nilaza kosa ny Filoham-pirenena fa nahatsapa ary resy lahatra fa misy ezaka manokana tsy maintsy hataon’ny Fanjakana mba ahafahan’ny tokantrano iray miatrika ny fandaniana sy ny filàna andavanandro vokatry ny krizy maneran-tany ka isan’ireny ny ady any Ukraine miantraika amin’izao tontolo izao. Tsy maintsy hakarina faran’izay tratra ny karama farany ambany ho an’ireo mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina, hoy izy. Rehefa nifandinika nandritra ny 4 ora, dia nojerena ny fampifanatonana ny tanjona sy ny marimaritra iraisana.

HIAKATRA 250 000% NY KARAMA FARANY AMBANY
Nambaran’ny Filoha àry fa hasondrotra ho 250 000Ar ny karama farany ambany ho an’ny sehatra tsy miankina. Hofenoin’ny fitondram-panjakana mba hahatratra ilay 250 000 Ar ilay 220 000 Ar manome 9,9% soso-kevitry ny Vondron’ny orinasa tsy miankina. Hihatra ho an’ireo karama farany ambany izany ho an’ny sehatra tsy miankina. Ny “charge patronale” na adidin’ny orinasa aloha amin’ny Fanjakana 30 000 Ar no re fa tonga dia halefa any amin’ny mpiasa, fa tsy hoe: hisy vola avy amin’ny Fanjakana. Ho an’ny sokajin’asa hafa ankoatra ny mpiasa mandray io karama farany ambany io kosa kosa dia arakaraka ny sehatr’asa, ankinina amin’ny fahafahana sy ny fahalalahana ho an’ny mpampiasa tsirairay ho an’ireo sokajin’asa samihafa. Rehefa zohiana, tsy te hiditra lalina fa nanipy baolina any amin’ny mpampiasa ny Filoha sy ny Fanjakana. Hotazonin’ny mpampiasa amin’ilay vina 9,9% sa hanao ahoana? Ho an’ny mpiasam-panjakana anefa, hihatra amin’ny sokajin’asa rehetra ny fisondrotan-karama, miatomboka amin’ny 25% ho an’ny karama farany ambany ary hatrany amin’ny 5% ho an’ny karama ambony indrindra. Ireo kely karama no hahazo fisondrotana ambony indrindra. Mihatra avy hatrany manomboka amin’ity volana mey ity ny fampisondrotana. Mbola hisy ny fihaonana manaraka miaraka amin’ny mpandraharaha hijerevana hatrany ny fomba hampiroboroboana ny sehatra tsy miankina,… hoy ny Filoha. Milamindamina izany ny an’ny mpiasam-panjakana, raha toa ka manjavozavo kosa ny fiakarana ho an’ny tsy miankina ho an’ireo mandray karama mihoatra ny farany ambany.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT