Sosialy

Tsisy rano hosotroina Nigrevy ny olona teny Ankatso


  • Alakamisy 14 Janoary 2021

Mampikolay ny tsy fahampian’ny rano eto Antananarivo sy manodidina. Ahitana

 

 

 

 

izany avokoa ny boriborintany 6 ho an’ny eto an-dRenivohitra. Nihetsika mihitsy ny mponina teny Ankatso omaly, naneho ny tsy fahafaliany sy nanao fanairana, ka nandrehitra afo sy nanakan-dàlana. Ny eny amin’iny Ambohimirary iny manambana hihetsika. Efa andro maro ny fitarainana teny amin’ny manodidina, toa an’Ampasapito, Ampandrianomby, Andraisoro, hatrany Ambatomaro,… Tena ory rano ny mponin’Antananarivo sy ny manodidina, ary ny reniranon’Ikopa aza efa miha ritra tanteraka, miseho ny vato,… Eo ny ambara fa fahanteran’ny fantsona sy ny tambajotra fa ny tena zava-misy, dia tsy mahasehaka ny filàn’Antananarivo intsony ny famokarana, ampian’ny toetr’andro maina dia mitambatra ny fahavoazana. Ny famotehana tontolo iainana rahateo tsy afaka amintsika Malagasy, ka dia izao no vokany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT