Sosialy

Tsiroanomandidy Zaza vao teraka, nipotsaka ny masony


  • Alarobia 04 Desambra 2019

Zaza menavava iray vao teraka tamin’ny alahady teo no nipotsaka toy ny hivoaka ny masony sady menamenabe raha vao latsaka tamin’ny tany izy.

  

Tany amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava no nitrangany. Fantatra tamin’ny fampitam-baovao azo fa zanak’olona sahirana ity tsy manan-tsiny ity, zanaka fahatelo.  Raha araka ny fanazavan’ny mpampiasa ny renin’io zaza io izay miantoka azy hatreto  dia feno zavatra miraikidraikitra toy ny angadrano ihany koa ny vatan’ity zaza ity. Minono tsara anefa izy saingy kely dia kely ny lanjany raha oharina amin’ny lanjan’ny zaza  vao teraka ara-dalana.  Nanolo-kevitra azy ireo ny amin’ny handidiana ny mason’ity zazakely ity ilay mpitsabo ao amin’ny hôpitalim-panjakana iray mandray an-tanana azy ireo ao Tsiroanomandidy ao. Raha araka ny fanazavany mantsy dia takona ao ambanin’io zavatra menamena manarona azy io ny mason’ilay zaza. Manao antso avo ho an’ny malala-tanana rehetra izy ireo. Ny laharam-pinday 0349535996 no hahafahana mifandray aminy mivantana.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT