Sosialy

Tsipoapoaka Voarara ny fivarotana sy ny fampiasana azy


  • Zoma 07 Jona 2019

Efa mizotra miandalana mankany amin’ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-59 taona niverenan’ny fahaleovantena isika eto Madagasikara ankehitriny.

 

 

 Ankoatra ireo karazana arendrina vita Malagasy sy Sinoa miparitaka eny an-tsena dia efa re mirefodrefotra etsy sy eroa ihany koa ny tsipoapoaka. Manoloana ireny tranga ireny dia nanamafy ny mpitandro ny filaminana fa  voararan’ny lalàna hatrany ny fampiasana tsipoapoaka mialoha sy mandritra ary aorian’ny fetim-pirenena 26 jona mba ho fitandroana ny filaminana. Hisy ny polisy sy zandary hitety tanàna hanara-maso izany raha ny fantatra. Ankoatra izay dia nambaran’izy ireo ihany koa fa hojerena akaiky ireo mpanafatra tsipoapoaka eto amintsika sy ireo mpivarotra minia mbola mivarotra . Hisy ny fitsirihana tampoka hotanterahina any amin’ireo mpanafatra tsipoapoaka. Noraisina izao fepetra izao satria mety misy ny olona manana eritreri-dratsy ka hanararaotra ny tsipoapoaka etsy sy eroa mba  hanapoahana basy sy hanaovana asa ratsy, hoy ny prefen’Antananarivo. Tsiahivina fa efa nahafaty olona ny fahatairana vokatry ny fipoahan’ny tsipoapoaka teto amintsika. Nisy ihany koa ireo efa nitondra takaitra vokatr’izany’

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT