Tsinontsiniavina ny fahantran’ny malagasy

«Tsy manana politika hampanankarena vahoaka ny fitondràna»


  • Alakamisy 26 Desambra 2024

Hita mibaribary ny tsy fahaizantsika malagasy, indrindra, ny mpanohitra, ny atao hoe politika tamin’ity taona 2024 ity,

hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Ny mpanao politika tokony nitarika hifidy indray, hoy izy, no nitarika hoe aza mifidy! Isika rehetra raha hampianatra izany atao hoe demokrasia izany dia tokony hitarika ny olona mihitsy hanao ny adidiny fa tsy hitarika ny olona tsy hanefa ny adidiny sy andraikitra tokony ataony. Eo koa ny tsy fananàn’ny antoko, indrindra, antoko politika mpanohitra, fototra na «base». Lasa tsy misy ny mivondrona amina fotokevitra iray. Raha nisy nefa izany dia sarotra be ho an’ny mpitandro filaminana, toy izay hita any ivelany, ny hanakana fitokonana na fitakiana ataon’ny vondrona iray. Vitan’ny fitondràm-panjakàna nefa ny nampangina izany teto satria maivana loatra ilay fanoherana. Eo amin’ny resaka toekarena moa dia mbola tsy voavaha mihitsy hatramin’izao ny fahantran’ny vahoaka malagasy, izany hoe, isan’ny firenena mahantra eto ambonin’ny tany ny vahoaka malagasy. Tsinontsiniavin’ny fitondràm-panjakàna ny fisian’izany olana izany satria tsy manana stratejia na hoe politika mihitsy izy hoe ahoana no fomba atao hampanankarena ny malagasy? Tsy manana politika ekonomika tena mitombina izy. Averina foana moa hoe izany fahantrana izany dia tena ady namotika an’i Madagasikara nefa tsy manana politika ialàna ohatran’ireny tamin’ny ady lehibe faharoa ireny hoe nanana drafitra Marshall ny amerikanina entina hanavotana an’i Eoropa. Fitondràm-panjakàna efa hiaina fotoam-piasana miisa 3 izany tokony mba efa manana politika hanalàna an’i Madagasikara anaty fahantrana mba, fara-faha ratsiny ho tafakatra any amin’ny faha 50 amin’ny firenena matanjaka eto ambonin’ny tany, ohatra. Ny fahantran’ny malagasy efa hatrany amin’ny repoblika faharoa. Tany isika no efa nanao fahadisoana tamin’ny resaka sosialisma sy «ajustement structurelle» na fampifandanjam-bola. Taorian’izay izany no efa tokony nanana politika hampanankarena ny vahoaka anaty fotoana fohy ny fitondràm-panjakàna satria manana fahafahana hanao ny atao hoe «croissance à 2 chiffres» na fampitomboana haingana ny harinkarena, izay efa niainana ny taona 2003 isika. Ny sosialy moa dia iaraha-mahalala fa rehefa mitotongana ny ekonomia, tsy manana politika mazava tsara isika dia any amin’ny sosialy no tena fiantraikany, araka ireny mpangataka hitantsika ireny. Hita mihitsy koa ny fahantrana rehefa tonga ireny loza voajanahary ireny. Maika ery ny olompirenena rehefa propagandy hoe hoavy indray ny fizaràna vary sy ny tariny satria mitotongana ny sosialy, mahantra ny firenena, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT