Sosialy

Tsinjo Fameno CNaPS 24 213 no antontan-taratasy voaray hatreto


  • Alatsinainy 24 Aogositra 2020

Ho fanohanana manokana amin` izao hahamehana ara-pahasalamana izao ny sehatra tsy miankina araka ny nampantenain` ny Filoha Rajoelina, dia niroso tamin`ny hetsika “Tsinjo Fameno” ny teo anivon` ny CNaPS.

 

 

 

Toy izao ny dingana hahafahana misoratra anarana amin` izany Tsinjo Fameno Izany ho an` ireo mpampiasa: miditra ao amin` ny tranokalan` ny CNaPS avy eo miditra ao amin` ny espace employeur ka no mametraka fangatahana. Ny fepetra takiana kosa dia mila mpampiasa efa mpikambana ao anatin` ny herintaona (nanomboka ny 01 janoary 2019). Tsara raha orinasa marim-pototra ao anatin` ny sehatra misy azy sy ara-dalàna ara-ketra amin` ny latsakemboka sy karama ara-dalàna. Toy izao kosa ny fepetra ho an` ireo mpiasa: tsara raha manana fifanekana arak`asa tsy voafetra (CDI) ny mpiasa iray. Raha tsia kosa dia mila manana fifanekana arak`asa hatramin` ny desambra 2021 (CDD). Nanomboka tamin` ny alatsinainy 17 aogositra hatramin` ny 30 septambra izao ny hetsika Tsinjo Fameno. Raha ny nambaran’ny filoham-pirenena omaly nandritra ny lahateniny dia miisa 24 213 ny antontan-taratasy voaray hatreto izay avy amina orinasa 128 ka 6,4 miliara ariary no vola hivoaka.Mbola hitombo moa io tarehimarika io satria mbola mitohy ny fandraisana ireo antontan-taratasy.Tsara no manamarika fa vola hindramina ity Tsinjo Fameno ity ka amin` ny alalan` ny latsakemboka arotsaka eny anivon` ny CNaPS no hanonerana izany mandritra ny 12 volana ary manomboka ny volana janoary 2021.  200 000 ka hatramin’ny 500 000 ariary no azo hindramina.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT