Sosialy

Tsimialonjafy Efa hita ny nofo mangatsiakan’izy mivady lehibe


  • Sabotsy 26 Janoary 2019

Ny alakamisy alina teo no hita soa aman-tsara ny vatana mangatsiakan’izy mivady lehibe, nipetraka tamin’ny trano farany ambany indrindra etsy Tsimialonjafy Ambaninampamarinana.

 

 Izy mivady lehibe ireo no zokiny indrindra teo an-tanàna. Efa tena simba tanteraka  ny razana raha ny fanazavana azo teo anivon’ny sampana mpamonjy voina. Toy ny razana efa nalevina tany ambanin’ny tany nofongarina indray mantsy izy ireo. Na izany aza mbola hita tsara ny tarehiny. Ilay Ramatoa lehibe no hita voalohany tamin’ny 9 ora alina tany. Nanaraka azy  kosa  ilay Rangahy lehibe vadiny, tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Asa nosahanin’ny sampana mpamonjy voina faramparany sisa omaly ny nijery ireo vatobe ahiana  mbola hianjera sy ireo hazo efa antitra. Ao koa ireo ranontany eny amin’ny manodidina. Mikasika ireo mponina eny an-toerana manokana moa dia tsara ny mampahatsiahy fa vitsy sisa ireo tsy nanaiky ny hiala tanteraka amin’ny tranony. Ho an’ireo traboina kosa dia mbola tazonina etsy amin’ny INFP Mahamasina izy ireo hatramin’ny omaly. Nahatratra 16 isa ireo namoy ny ainy vokatr’iny loza nitranga teny Tsimialonjafy tamin’ny sabotsy 19 janoary  hariva  iny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT