Sosialy

Tsimialonjafy, Ampamarinana Nozahana akaiky ireo faritra ahiana hisy fihotsahana


  • Alatsinainy 16 Septambra 2019

Efa miasa fatratra sahady ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalana amin’izao na dia vao volana septambra aza isika.

 

Ny hisorohana ny loza mety hitranga mandritra ny fotoam-pahavaratra no anton’izany ka anisan’ny efa nanaovan’izy ireo fidinana ifotony sy nifampiresahana tamin’ny mponina ny teny amin’ny faritra avo eto an-drenivohitra toy ny eny Tsimialonjafy sy Ampamarinana.  Narahin’izy ireo maso sy notsirihiny manokana ireo rano avy any ambony mety mandeha any ambanin’ny trano ka sanatria mety hitarika fianjerana tampoka toy ny nitranga tamin’ny taon-dasa izay nahafatesana olona maro. Toraka izany koa ny hazo lehibe ahiana  hianjera izay vao avy notapahina,  ireo tany be avy nanamboarana trano ka ahiana hihotsaka mandritra ny fotoam-pahavaratra….. Nanaiky ny toromarika nomen’izy ireo avokoa moa ny mponina tamin’ny ankapobeny sady nifanome tanana tamin’izy ireo tamin’ireo asa efa tsy maintsy natao. Tsiahivina moa fa efa nojeren’izy ireo akaiky ilay lakroa tamina fiangonana iray teny an-toerana nahiana hianjera ary efa vita soa aman-tsara.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT