Sosialy

Tsiafajavona Ambatolampy Nahazo toho-drano vaovao, tantsaha 1.000 no hahazo tombony


  • Zoma 16 Novambra 2018

Nahazo toho-drano vaovao ny ao amin’ny kaominina ambanivohitra Tsiafajavona distrikan’Ambatolampy.

 

 Ny 14 novambra lasa teo no notokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa vokatry ny fanampian’ny orinasa Star. Tantsaha miisa 1.000 no hahazo tombontsoa amin’izany mivantana amin’ny alalan’ny fanamorana ny fampidiran-drano ao amin’ny tanimbary hamboleny. Ahitana vanona (vanne) telo ity toho-drano ity, asa nanomboka tamin’ny fiandohan’ny volana jolay lasa teo. Tao anatin’ny hafaliana no nandraisan’ny mponin’i Tsiafajavona izany. Ankoatra ity fotodrafitrasa ity dia efa nahazo sekoly EPP vaovao tamin’ny orinasa Star izy ireo niampy dabilio sy seza ho an’ny mpianatra. Ao koa vy lava-drano eny anivon’ny fokontany nahafahan’ny mponina mahazo rano fisotro madio…Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny asa sosialy entina hanampiana ny mpiara-belona sahanin’ny orinasa Star avokoa izany rehetra izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT