Sosialy

Tsiafajavona Ambatolampy Nahazo toho-drano vaovao, tantsaha 1.000 no hahazo tombony


  • Zoma 16 Novambra 2018

Nahazo toho-drano vaovao ny ao amin’ny kaominina ambanivohitra Tsiafajavona distrikan’Ambatolampy. Ny 14 novambra lasa teo no notokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa vokatry ny fanampian’ny orinasa Star.

 

 

 

Tantsaha miisa 1.000 no hahazo tombontsoa amin’izany mivantana amin’ny alalan’ny fanamorana ny fampidiran-drano ao amin’ny tanimbary hamboleny. Ahitana vanona (vanne) telo ity toho-drano ity, asa nanomboka tamin’ny fiandohan’ny volana jolay lasa teo. Tao anatin’ny hafaliana no nandraisan’ny mponin’i Tsiafajavona izany. Ankoatra ity fotodrafitrasa ity dia efa nahazo sekoly EPP vaovao tamin’ny orinasa Star izy ireo niampy dabilio sy seza ho an’ny mpianatra. Ao koa vy lava-drano eny anivon’ny fokontany nahafahan’ny mponina mahazo rano fisotro madio…Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny asa sosialy entina hanampiana ny mpiara-belona sahanin’ny orinasa Star avokoa izany rehetra izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT