Amboarina amin’izao fotoana ny tsenan’ny solomaso ao Andravoahangy ambany Boriborintany faha-3, Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA).
Mba hialana amin’ireo trano hazo izay mora mirehitra, izay mpitranga matetika, dia nanapa- kevitra ny Kaominina Antananarivo renivohitra fa hosoloina ireo trano hazo ary atao trano biriky, etsy amin' ny mpivarotra solomaso Andravoahangy. Miisa 153 ny isan' izy ireo ary hatao mitovy avokoa ny trano fivarotana, ka ireo mpivarotra ihany no miantoka ny fananganana azy, fa ny Kaominina kosa no manara-maso ny fananganana ny foto-drafitrasa, ary manome toerana vonjimaika ho an'ireo mpivarotra, mba hanomezan'izy ireo fahafaham-po an'ireo mpanjifa. Nanomboka omaly 18 martsa 2019 ny fandravana ary haharitra iray volana farafahakeliny ny asa fanamboarana. Ny kaominina dia mikatsaka ny soa hatrany ho an'ny mponina ao aminy, koa miala tsiny noho ny fanelingelinina mandritra ny fanaovana ny asa, hoy ny fanambarana.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.