Sosialy

Tsenan’ny henan’omby Tsy mahalany 30 kg isan’andro intsony ny mpivarotra iray


  • Sabotsy 24 Martsa 2018

Tena miaina ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny ankamaroan’ny tokantrano malagasy ankehitriny.

 

 Tsy mahalany henan’omby 30 kg  isan’andro intsony mantsy ny mpivarotra iray amin’izao  noho ny ankamaroan’ireo olona mividy antsasaky ny fahefany sy fahefany. 25 kg isan’andro ihany no lafon’izy ireo raha betsaka indrindra amin’ny andavanandro, raha ny fanadihadiana natao tamina mpivaro-kena iray etsy Anosibe. Roa andro ihany anefa raha be indrindra no azo tehirizina ny ambin’ny hena tsy lafo dia tsy maintsy hitadiavana hevitra mba tsy hahafaty antoka. Anisan’ireny ny fandefasana azy mora amin’ireo mpanao hôtely ka 8.000 Ar  no hamarotany ny iray kilao. Mety  ho tafidina hatrany amin’ny 6.000 Ar mihitsy aza izany rehefa tena mivangongo be.  Tsiahivina fa maro amin’ireo mpivarotra hani-masaka amoron-dalana eto amintsika amin’izao no mivarotra vary 1.000 Ar ny iray lovia nefa mitafotafo mihoatra ny vary ihany koa ny laoka. Henan’omby ny ankamaroan’izy ireny sady efa vita saosy tsara. Raha ny fanadihadiana natao tamina dokotera mpitsabo iray anefa dia mety hiteraka aretina maro ny fihinanana ireny hena efa mialon’andro ireny. Anisan’ireny ny aretin-kibo raha mety hisy olana ihany koa ny vavony.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT