Sosialy

Tsenan’ny Coum 67 ha Nitombo avo roa heny ny habeny


  • Talata 21 Jona 2022

Nitombo avo roa heny ny haben’ny tsenan’ny Coum etsy amin’ny 67 ha. Tafakatra 2.200 isa ireo mpivarotra ho

zakany manomboka izao izay nomarihin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra fa ireo mpivarotra efa tao an-toerana ihany no ho laharam-pahamehana fa tsy araka ny feo mandeha ankehitriny. Misy mantsy ireo milaza fa mpivarotra vaovao mihitsy no hahazo ity foto-drafitrasa ity antony mampitaraina fatratra ireto farany. Mahatratra 1 ha eo ho eo ny toerana nametrahana ny tsena. Hita ao anatiny avokoa ny trano fivoahana….izay marihina fa tena natao manara-penitra tokoa. Hojerena manokana ihany koa ny mikasika ny fandriampahalemana mba tsy ho gaboraraka toy ny teo aloha intsony. Anisan’ny tsena tena hitobian’ireo mpisoloky sy mpanendaka mantsy ny Coum etsy amin’ny 67 ha raha tsiahivina, antony tsy hidiran’ireo mpanjifa te-hiantsena tao an-toerana na dia te-hanjifa ny vita Malagasy aza. Notokanana omaly ny foto-drafitrasa. Tonga nitarika ny lanonana teny an-toerana ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Naina Andriantsitohaina izay nanome toky ny vahoaka fa hiezaka hanao ny tsara hatrany mba ho tombontsoan’ny vahoakan’Antananarivo.
Pati
Legende : Nandritra ny fitokanana omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT