Sosialy

Tsenan’ny “Bidon” Rehefa misy rano tapaka ihany vao tena mandeha


  • Alarobia 30 Janoary 2019

Tsy mandeha isan’andro ny tsenan’ny “bidon” fangalana rano raha ny fanadihadiana natao tetsy Ambalavao Isotry omaly.

 

 Isaky ny misy rano tapaka ihany vao  tena mandeha hahafahan’ny isan-tokantrano manangon-drano. Anisan’ireny ny tamin’ny tapa-bolana lasa izay nisian’ny rano tapaka teny amin’ny faritra 67 ha sy Isotry iny. Amin’ny andavanandro kosa dia mijanona ho iray na roa isan’andro ihany no lafon’ny mpivarotra iray.  Raha araka ny fanadihadiana natao anefa dia efa tena mora ny vidin’ny bidon ary raha miakatra aza izany dia avy any am-potony toerana fakana azy mihitsy. 3.000 Ar ny iray amin’ireo mahazaka rano 20 litatra raha  2.000 Ar kosa ireo mahazaka rano 5 litatra. Amin’ny ankapobeny dia ilay mahazaka rano 20 litatra no tena be mpividy indrindra ary saika mividy azy avokoa ny sarangan’olona rehetra. Ho an’ireo karazana sinibe miloko manga  mahazaka  240 litatra kosa dia manodidina ny 60.000 Ar no vidin’ny iray  ka ireo olona  any amin’ny faritra no tena mividy azy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT