Sosialy

TSENAN’NY AKOHO AMAM-BORONA Maina tamin’ny fetin’ny Noely


  • Alakamisy 26 Desambra 2019

Maina ny tsenan’ny akoho amam-borona nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Noely omaly alarobia 25 desambra.

 

 

Saika akoho fakana nofony na ireo gana efa maty avokoa mantsy no novidian’ny isan-tokantrano teny an-tsena  noho ny halafosan’ny vidin’ny gisa sy ny vorontsiloza. Nahatratra 150.000 Ar mantsy ny iray tamin’ny vorontsiloza lehibe raha 60.000 Ar ny gisa. Nisy nahatratra 30.000 Ar ihany koa ny gana lehibe sahaza ho an’olona dimy na enina mianaka raha toraka izay ihany koa ny akoho.  Maty antoka ny ankamaroan’ireo mpivarotra noho izany na dia mbola hisy aza ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taona vaovao.  Nomarihin’ireo mpivarotra moa fa amin’ity faran’ny herinandro ity sy amin’ny fiandohan’ny herinandro ho avy io sisa no farafanantenan’izy ireo ny amin’ny varotra hataony.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT