Sosialy

Tsenan’Ivato vaovao Mahazaka mpivarotra 2.200


  • Zoma 15 Jona 2018

Taorian’ny fametrahana ny vato fototry ny asa fanamboarana ny tsenan’Ivato vaovao dia nafindra eny amoron-dalana avokoa ireo mpivarotra rehetra ao an-toerana ankehitriny.

Noraisin’ny komitin’ny tsena ny fandaminana izany isan’andro. Ny tanjona dia ny hahafahan’ny mpivarotra tsirairay avy mivarotra toy ny teo aloha na dia antsasa-metatra avy aza ny toerana misy. Miisa 1.600 ireo mpivarotra ao an-toerana amin’izao. Mahatratra 2.200 kosa anefa ireo tsena vaovao azo handraisana mpivarotra izay nomarihin’ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny kaominina fa mbola afaka handraisana mpivarotra vaovao aza. Tsy atahorana ny mety hisian’ireo mpivarotra hidongy hijanona eny amoron-dalana rehefa vita soa aman-tsara ny tsena.  Marihina fa tsy miditra mandamina ny tsenan’Ivato intsony ny kaominina raha tsy efa tena misy olana goavana. Efa nanaiky rahateo ireo mpivarotra fa vonona ny hifandamina sy hifanohana.  Andrasana, araka izany, ny fahavitan’ity tsenan’Ivato vaovao ity izay nomarihin-dRandrianarisoa Penjy, Ben’ny tanàna ao an-toerana fa ialany amin’ny toerany raha sanatria ka tsy vitany ao anatin’ny telo volana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT