Sosialy

Tsenan’i Mahamasina niverina Tsy maintsy manaraka ny fepetra ny rehetra


  • Zoma 05 Jona 2020

Taorian’ny fanambarana nataon’ny kaominina Antananarivo renivohitra mikasika ny fiverenan’ireo tsena eto an-drenivohitra isan-kerinandro dia efa nisantatra ny anjarany omaly ireo mpivarotra etsy Mahamasina.

 

 

 

 

Toy ny teo aloha dia feno hatrany ny toeram-pivarotana rehetra saingy tsy maintsy manaraka ny fepetra ara-pahasalamana napetraka kosa. Tsy maintsy arotava avokoa ny mpiantsena sy ny mpivarotra rehetra. Misy ihany koa ny toerana natokana hanasan-tanana amin’ny rano sy savony ho an’ny roa tonta toy ny hita eny amin’ny tsenan’Andravoahangy. Ezahina hajaina hatrany ihany koa ilay elanelana 1 metatra ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka. Izany no hatao moa dia hiarovana amin’ny fiparitahan’ny tsimokaretina coronavirus. Tsiahivina moa fa olona an’arivony avy amin’ny faritra maro no tonga miantsena na mivarotra ao Mahamasina isaky ny alakamisy, antony tsy maintsy nametrahana ireo karazana fepetra ireo. Ho an’ireo mpivarotra dia tsy vitsy amin’izy ireo no mivatsy ireny gel fanosotra amin’ny tanana famonoana mikraoba ireny ho fiarovana amin’ny fiparitahan’ny aretina amin’ny alalan’ny vola raisina.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT