Sosialy

Tsenan’i Mahamasina 4162 ireo mpivarotra ara-dalàna isaky ny alakamisy


  • Zoma 09 Aogositra 2019

Mahatratra 4162 ireo mpivarotra voaisa ara-dalàna isaky ny alakamisy, raha ny antontan’isa voaray tao amin’ny Boriborintany fahefatra.

 

 

 

Nambaran’ny delege, Ramahandrimanana Solofoniaina Daniel fa nisy tsena taloha teo amin’ny Record sy Befelatanana, ka ireo mpivarotra tsy ara-dalàna no nivarotra teo. Tsy fantatra kosa, hoy izy, ireo mpamatsy entana azy ireo, ka lasa tsena tampoka teo, teo amin’ireo toerana roa ireo. Tsy  hanapaka ny fitadiavan’ireo mpivarotra no tanjon’ny delege sy ny kaominina fa nitady fandaminana sy toerana nivarotana ho azy ireo ary tsy nandroaka ireo mpivarotra koa. Nefa hatramin’izao, tsy nisy izay toerana izay, hoy ny fanazavana. Esorina, tsy mety miala fa atao faritra madio io toerana io, noho izy akaiky hopitaly sy Cité. Nisy ny fangatahan’ny mponina tao amin’ny “Cité de Jardin”, mba handaminana izany, ka tapaka fa aorian’ny amin’ny 5 ora sy 30 minitra hariva vao mahazo mivarotra ireo mpivarotra. Taty aoriana, nisy indray ny fifanarahana, ka tsy navela nivarotra teo amin’ny arabe indray ireo mpivarotra. Lasa tsena ankalamanja i Mahamasina ary nijanona ho tsenan’i Mahamasina izany hatramin’izao, hoy izy. Ka na andavanandro aza dia ohatra ny tsena foana ny eny Mahamasina, Befelatanana ary ny eny amin’ny Record, hoy hatrany, ny fanazavana azo.

 

Sitraka r.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT