Sosialy

Tsenan’Anosibe Mpambongady iray, tratra nampiakatra vidin’entana tsy ara-drariny


  • Alakamisy 25 Janoary 2024

Nampanantsoan’ny Minisitera misahana ny Varotra (MIC) ho tonga eny amin’ny biraony

eny Ambohidahy androany Alarobia, ny mpivarotra mpamongady iray eny Anosibe tratra nampakatra ny vidin’ny vary avy amin’ny SPM (State Procurement of Madagascar) hitovy amin’ny vary nafarana avy any ivelany. Nandritra ny fitsirihana nataon’ny tompon’andraikitra avy amin’ny minisitera omaly no nahatrarana azy ity ka ankoatra ny fampiarana ny vidim-bary avy amin’ny SPM izay tokony ho 2700 Ariary ny kilao dia mbola tsy nasiany famantarana ny fivarotany vary avy amin’ny SPM koa teo amin’ny tsenany. Ampiharina amin’ity mpivarotra mpamongady ity noho izany ny fepetra mifanaraka amin’ny sokajin’ny fanararaotana nataony raha ny fanazavana. Raha ny tena marina tsy io mpivarotra io irery no manararaotra mampiakatra vidin’entana tahaka izao fa tena maro, koa raha tena hanaramaso tokoany minisitera dia asa mila atao isan’andro io fa tsy hoe misehoseho mandritra ny 1 andro dia miverina amin’ny laoniny indray ny gaboraraka avy eo.
Lalaina Rav
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT