Sosialy

Tsenan’Andravoahangy Tsy mifankahazo ny mpivarotra sasany sy ny delege


  • Talata 09 Jolay 2019

Mitaraina vokatry ny fakana volabe ataon’ireo delegen’ny tsena sy ny lehiben’ny tsenan’Andravoahangy, ireo mpivarotra mivondrona ao anatin’ny fikambanana FI.MPI.E.A na Fikambanan’ny Mpivarotra Etale Andravoahangy.

 

 

 

Manangana trano tsena biriky mirefy 1,5 metatra ireto tompon’andraikitry ny tsena ireto ary amidin’izy ireo 1.200.000 ariary ka hatramin’ny 3.000.000 ariary amin’ireo mpivarotra izany. Tsy manana io vola io, ireto farany ary tratran’ny  tsindry hazo lena ataon’io delege io. Olom-bitsy no nambaran’ireto mpivarotra, fa mahazo tombony amin’io trano biriky io ary lasa kiantranoantrano aza  no niafarany. Nanangana ny fikambanana atao hoe E.TA.MI. na Etale Mitambatra koa io delege io, izay tsy teny nierana na nakana ny hevitr’ireto mpivarotra ireto,  fa nataon’ny delege fitadiavam-bola, io fikambanana najoro io. Tsy fantatry ny eo anivon’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo io olana tsena io amin’izao, koa manao antso avo amin’ny Ben’ny tanàna sy ny tompon’andraikitra voakasika  ireo mpivarotra. Marihana fa voakitik’io fananganana tsena io ihany koa ireo mpivarotra eo amin’ny CsbII Andravoahangy.  Tsy mankasitraka ny hananganana io tsena biriky io,  ireto mpivarotra ireto ary hisy ny hetsika lehibe ataon’io fikambanan’ny FI.MPI.E.A io, ny alarobia ho avy izao.

 

Fanatsarana no atao, hoy ny delege

 

Miaina ao anatin’ny loto sy ny fako ary ny fofona ireo mpivarotra eny amin’ny tsenan’Andravoahangy, ka nahatonga ny delege sy ny lehiben’ny tsena hanatsara ny tsena. Misy koa ireo tsena maty eny an-toerana, ka ny mba hampandrosoana izany no tanjona, hoy izy ireo.

Ny fikambanana Etami na Etale Miray hina no nijoro voalohany, izay vao ny FI.MPI.E.A na Fikambanan’ny mpivarotra Etale Andravoahangy. Nokianin’ity fikambanana ity ho nandray volabe tamin’ireo mpivarotra mantsy ny delege sy ny lehiben’ny tsena. Nambaran-dRtoa Raharimalala Felicien, filohan’ny fikambanana Etami, fa ireo mpivarotra asa tanana sy ireo mpivarotra isaka ny alarobia no manakorontana io fanatsarana ny tsena io. Tsy maintsy diovina ny tsena ary havadika trano biriky ireo tsena hazo izay atahorana hitera-doza, hoy hatrany ity delege ity.

 

Sitraka r.  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT