TSENAN’ANDRAVOAHANGY

Nentanina mba hahalala fahadiovana ny mpivarotra


  • Alarobia 27 Martsa 2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Fako 200 grama isaky ny mpivarotra raha kely no haparitak’izy ireny na avelany amin’ny toerana avy hivarotany isan’andro. Antony mampahazo vahana ny loto sy ireo karazan’aretina eto amintsika izany, ka tsy maintsy nandraisana andraikitra.
Nisy araka izany omaly Talata maraina tokony ho tamin’ny 03 ora ny fidinana ifotony teny amin'ny tsenan'ny tantsaha Andravoahangy, notanterahin’ny delegen’ny Boriborintany fahatelo Razafimandimby Rija Ethel. Fanentanana ireo mpivarotra mikasika ny fahadiovana no natao tamin’izany. Tsy tompon-toerana fa tompon'andraikitra mantsy ireny delege ireny hoy ny PDS Richard Ramanambitana fa asa fa tsy kabary intsony. Tokony ho vita tahaka izao avokoa moa ny fanentanana ireo mpivarotra manerana ireo Boriborintany enina eto an-drenivohitra, raha tena mandray ny andraikiny avokoa ireo tompon’andraikitra.

Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT