Sosialy

Tsenan’Andravoahangy Mbola betsaka ireo olana sedrain’ny mpivarotra


  • Alakamisy 19 Jolay 2018

Mbola betsaka ireo olana sedrain’ireo mpivarotra eny amin’ny tsenan’ Andravoahangy amin’izao. Ho an’ireo mpivarotra miisa 1.600 mivelona amin’ny fivarotana « confection » ao ambadiky ny CSB II dia nambaran’ny delegen’ny tsena Atoa Germain Razafimandimbiarivony fa ny fanariana ny fako no mbola tena olan’izy ireo.

 Toraka izany koa ny tsy fisian’ny fandriampahalemana ankoatra ny tsy fisian’ny tatatra hivoahan’ny rano maloto, hany ka dibo-drano hatrany izy ireo rehefa fotoam-pahavaratra. Volabe anefa no ilaina, indrindra fa ny fampiakarana ny tsena ho amin’ny toerana ambonimbony kokoa. Mikasika ny fandehanan’ny tsena manokana dia nilaza ireo mpivarotra confection ireo fa tamin’ity taona 2018 ity no tena mafy indrindra izany. Maina tanteraka mantsy ny tsena, indrindra fa hatramin’ny nisian’ny krizy no mankaty. Eo an-danin’izay anefa dia tsy mitsaha-miakatra ny vidin’ny metatra amin’ny lamba, ny kofehy ary ny kisary kely hampiasaina  amin’ilay short na akanjon’ankizy hamidy. Voatery mivarotra fatiantoka, araka izany, ny mpivarotra. Lasa hamidy 500 Ar ny short namidy 600 Ar teo aloha.

 

Pati


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT