Sambany no hisy eto amintsika ny oniversite manofana mpianatra ho matihanina amin’ny resaka Tsenam-baro-panjakana ( FACDEGMIA). Ao amin’ny oniversiten’i Toamasina
no hisantarana izany izay nahazoana fankatoavana avy amin’ny Autorité de Regulation des marchés Publics na ny ARMP araka ny fanapahan-kevitra laharana 47-ARM/DG/20. Hisokatra ho an’ireo mpianatra manana ny maripahaizana bac +2 ny fiofanana mba hahazoana ny licence professionnelle amin’ny tsenam-baro-panjakana mianatra mandritra ny 12 volana. Toraka izany koa ho an’ireo mpianatra manana ny mari-pahaizana licence izay hianatra mandritra ny 24 volana raha te-hahazo ny mari-pahaizana master professionnel amin’ny tsenam-baro-panjakana. Nisokatra omaly alakamisy 20 febroary avokoa ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo mpianatra liana amin’izany hifarana ny 03 aprily raha ny 10 aprily kosa no hivoaka ny anaran’ireo voaray soa aman-tsara ary ny 13 aprily no hanomboka ny fampianarana. Izany no hatao dia hahafahana mampihena ny kolikoly sy ny tsy fahaiza-mitantana ny volam-panjakana, izay mitaky olona matihanina tokoa. Raha tsiahivina, tamin’ny taona 1977 no niforona ny FACDEGMIA raha Filière gestion no nahafantarana azy tamin’izany fotoana. Olomanga maro no efa navoakany toy ny minisitra, solombavambahoaka, tale… Nisy ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny talen’ny ARMP Razafy Harison Vonjy sy ny sojaben’ny fakiolten’ny lalàna, ny toekarena, ny fitantanana, ny matematika informatika sy ny fampiharana izany Atoa Diny Razanakolona omaly tetsy Anosy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.