Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 4 aogositra, ary haharitra hatramin’ny 08 aogositra ny Tsenaben'ny tantsaha FIER MADA andiany faha-22, tanterahina eny amin'ny Kianjan'ny Maki Andohatapenaka.
“Zava-dehibe ho an’ny tontolom-pihariana momba ny fiompiana, fambolena, fanodinam-bokatra, asa tanana ary jono, ny fahitana lalam-barotra. Arak’izany dia manohana sy manome tantsoroka ireo tantsaha ny Ministeran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (MAEP) amin’ny alalan’ireo fandaharan’asa sy tetikasa eo ambany fiahiany ary mitondra azy ireo mamonjy ireo hetsika fampirantiana samihafa ahafahany manakaiky ny vahoaka mpanjifa sy mampiranty ny vokany toy ny hetsika FIER MADA izay nosokafan'ny ministra Lucien Ranarivelo omaly. Ankoatra izay, maro ireo tohana entin’ny MAEP ho an’ny seham-pamokarana indrindra ny famokarana tantanim-pianakaviana toy ny fiofanana, ny fanomezana tohana ara-bola sy fanamorana ny ahazoan’ireo tantsaha anam-pamokarana sy fampitaovana. Eo ihany koa ny fanalefahana ny zana-bola amin’ny famatsiam-bola ho fanamaivanana ny fahazoana ireo fitaovana sy anam-pamokarana amin’ny alalan’ny FDA izay efa miparitaka manerana ny nosy, hoy ny MAEP. Hampiroboroboana manokana ny seham-pihariana sy ny seham-pamokarana tantanin’ny vehivavy sy ny tanora izay tena maro anisa amin’izao fotoana izao. Naneho kosa ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny asa tànana (MICA) fa manana paikady maro samihafa ny ministera entina manohana ara-teknika ireo mpandraharaha. Ny fandaharan’asa ODOF na Indostria Manakaiky Distrika dia mikendry ny fanatsarana sy fampandrosoana ny famokarana ary fanodinana ny vokatra eny ifotony hametrahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, hoy hatrany ny MICA.
ENCADRE
Ny tsy fisian’ny mpitsidika avy any ivelany noho ny habakabaka izay mikatona no isan’ny mampiavaka ity FIER MADA ity amin’ny hatrizay, ka ny Malagasy manontolo sy ireo vahiny efa eto no misitraka izany. Niova ny fomba fiasa, ary tonga dia manantona ny mpiara-miombon’antoka sy ireo mpiahy, tsy dia misy mpanelanelana loatra, raha ny nambaran’Atoa Ramanantsoa Jacques, Filohan’ny FIER MADA.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.