Sosialy

Tsenaben’ny sakafo sy ny lakozia Manome lanja hatrany ny vokatra Malagasy


  • Alakamisy 17 Mey 2018

Nanomboka omaly alarobia 16 mey ary haharitra efatra andro, ilay tsenaben’ny sakafo sy ny lakozia andiany fahasivy, karakarain’ny ESCOMA etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Betsaka ny Malagasy tena liana amin’ity hetsika izay manome vahana kokoa ny vokatra Malagasy ity.

  Saika hita teny avokoa mantsy ireo karazana sakafo mampiavaka ny Malagasy tahaka ny tantely, voatavo, koba,sns . Tsy vitsy ihany koa anefa ireo fitaovana enti-mahandro izay hita tahaka ny fatana mitsitsy sy ireo zavatra vita avy any ivelany. Ao ihany koa ny fisian’ny fikambanam-behivavy FITEFA, nandray anjara mavitrika amin’ity tsenaben’ny sakafo sy ny lakozia andiany fahasivy ity. Nampahafantarin’izy ireo ny karazana nahandro sy fitafy any amin’ny faritra DIANA. Toraka izany koa ireo karazana voandalana azo entina mody eto an-drenivohitra, rehefa avy any amin’iny faritra iray iny. Mampiavaka ity hetsika ity ny fivarotana vokatra amin’ny vidiny eny anivon’ny ozinina avokoa izany hoe tena amin’ny vidiny eny am-potony.


Tsiry

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT