Tsenabe iraisam-pirenena momba ny fonenana

Hankalaza manetriketrika ny faha 25 taona


  • Alakamisy 28 Septambra 2023

Hanamarika ny faha-25 taonany amin’ity taona 2023 ity ny hetsika ara-toekarena “Foire International de l’habitat” na

ny tsenabe iraisampirenena momba ny fonenana. Ho tontosaina etsy amin’ny Hazovato forello expo Tanjombato izy io ary ny eny an-toerana rahateo moa no mikarakara, raha ny fanazavana teny omaly. Ny 19 hatramin’ny 22 oktobra 2023 no hanatontosana izany. Araka ny fanazavan’i Harilala Ramanantsoa, mpandrindra ny hetsika, nandritra ity fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy omaly ity dia zava-baovao maro no handravaka izany. Isany goavana ny fanomezana sehatra lehibe ho an'ny fandraisana andraikitra amin'ny fiarovana ny tontolo iainana na ny hoe "éco responsabilité", hoy hatrany ny fanazavana. Nisy avy hatrany moa iny omaly iny ny fihaonan’ny mpikarakara tamin’ireo rehetra maniry ny hampiranty mandritra ny foara mba hanomanana amin’ny fomba manetriketrika ny fankalazana. Eo, hoy ihany ny mpandrindra, ny fihenam-bidy ho atolotra mandritr’ireo 4 andro ireo fa eo koa ny fahafahan’ireo matihanina misehatra anatin’ny atao hoe trano mba ahafahan’izy ireo mampahafantatra ny tsara ho fantatra rehetra mikasika izay tontolon’ny fanorenana trano izay. Zava-baovao hafa koa ny fisian’ny toerana eny ivelany natokana momba ny tontolon’ny zaridaina sy fanaingoana ny ivelan’ny trano, raha ny fanazavan’ireo mpikarakara hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT