TSENABE FIVOARANA ANDIANY FAHAROA

Hosantarina eny Imerintsiatosika amin’ny 26 mey


  • Alarobia 21 Mey 2025

Raikitra ny tsenabe Fivoarana andiany faharoa, karakarain’ny Fikambanana Fivoriana

ahitana ny solombavambahoaka Rajerison Antoine. Ao Miakadaza akaikin’ny fampiadiana akoho ao Imerintsiatosika no hisantarana izany ny datin’ny 26 May ho avy izao haharitra 4 andro. Hitohy hitety tanana izany ka Arivonimamo no tanana faharoa handray azy, hitohy ao Manalalondo ary hifarana ao Mahitsy. Trano eva manodidina ny 96 isa no handray anjara amin’izany ahitana ireo vokatry ny tantsaha, ny sakafom-biby fiompy, ny fitaovam-pamokarana…Mpitsidika manodidina ny 50. 000 isa no andrasana amin'ity hetsika goavana ity, raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Tanjona ny hampivoarana ny sehatry ny tontolo ambanivohitra. Tsiahivina moa fa maherin'ny 85%-n’ ny Malagasy dia tantsaha avokoa izay mivelona amin'ny fiompiana, fambolena, asa tanana ary jono. Tsy mahatosika ny vahoaka Malagasy akory anefa ireo vokatra miakatra noho ny tsy fahampian'ny tantsoroka sy fahaiza-manao, antony nanosika ny fikambanana hihetsika. Tsy ampy rahateo ny paikady entina hanampiana ny tantsaha sy ny famokarana eto Madagasikara hoy hatrany izy ireo.
Pati
Legende : Ireo tompon’andraikitra nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT