TSENABE FIVOARANA ANDIANY FAHAROA

Entina hanatsarana ny fari-piainan’ny tantsaha


  • Talata 27 Mey 2025

Raikitra ny tsenabe Fivoarana andiany faharoa, karakarain’ny Fikambanana Fivoarana,

tarihin’ny Solombavambahoaka Rajerison Antoine. Ao Imerintsiatosika, distrikan’Arivonimamo no hanatanterahana azy io nanomboka omaly Alatsinainy 26 May, haharitra 4 andro. Tanjona ao anatin’ny hetsika ny hahafahana manatsara ny fari-piainan’ny tantsaha amin’ny alalan’ny fitadiavana lalam-barotra vaovao. Eo ihany koa ny fampianarana sy fanentanana azy ireo mba hampiasa ny masomboly voafantina sy ny teknikam-pambolena manaraka ny toetr’andro fa tsy sanatria hionona amin’ny nentim-paharazana foana. Izay hidiran’ny vola any am-paosin’ny tantsaha no hatao hoy ny filohan’ny fikambanana Fivoarana. Rehefa miditra mantsy hoy izy ny vola dia milamina avokoa ny zava-drehetra. Tsy miady lava intsony ny mpivady, ho afaka mampiana-janaka ara-dalana izy ireny, hazoto hamboly sy hiompy ny tantsaha….Trano eva manodidina ny 100 mahery no indray miara-mandray anjara amin’izany mampiranty ny vokatry ny tany sy ny biby fiompy nokarakarain’izy ireo. Tsy nijanona teo fa omaly Alatsinainy hariva ihany dia efa nisy ny fiofanana maimaim-poana momba ny fiompiana ombivavy be ronono nomena ireo tantsaha hataon’ireo manam-pahaizana voatokana ho amin’izany. Hitohy anio Talata 27 May amin’ny alalan’ny fampiofanana momba ny fiompiana akoho gasy nohatsaraina izany, ny akoho fakana nofony, ny akoho nataody lava ary ny fiompiana trondro. Tsy misy ny vidim-pidirana. Tsiahivina moa fa mbola hitety toerana 3 ny tsenabe Fivoarana andiany faharoa toy ny ao Manalalondo, Arivonimamo ary Mahitsy.
Pati
Legende : Nandritra fanokafana tamim-pomba ofisialy omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT