Sosialy

Tsena vaovao namboarina ao Anosibe Mitsahatra ny asa, hoy ny prefe


  • Alarobia 31 Jolay 2019

Nisy nandrava sahady ireo rindrina natsangana hanamboarana tsena vaovao ao amin’ny ampahan’ny parking ao Anosibe.

 

 

 Voalaza ihany koa fa misy mandrahona hamono ho faty ireo mpanamboatra izany  ka nivoaka tamin’ny fahanginana nilaza ny marina rehetra omaly ireo delegen’ny tsena mivondrona ao anatin’ny FDTA (Fikambanan’ny Delegen’ny Tsenan’Anosibe) izay manohana feno izao asa fanamboarana tsena vaovao izao. Nambaran’izy ireo fa fikambanana iray ao an-toerana ihany no mitarika ny fanakorontanana ao amin’ny tsenan’Anosibe izay mpiambina miandraikitra ny tsena anatiny raha anjaran’ny TAM kosa ny resaka parking. Ny nahavariana, hoy Atoa Lalajaona izay delegen’ny tsena dia nanaiky izy ireo teny am-piandohana nanao sonia saingy nivadika rehefa nahazo vola tany amin’ilay orinasa nahazo ny tolo-bidy amin’ny asa fanamboarana. Hananan’izy  ireo porofo izany, hoy Atoa Lalajaona satria dia tamin’ny alalan’ny taratasim-bola no nanomezana ilay vola an’ity fikambanana iray ity. Ankoatra izay moa dia nomarihiny fa misy mandrahona ihany koa amin’izao ireo vehivavy mitaky vola 100 Ar isan’andro amin’ny mpivarotra mba hanadiovana ny tsenan’Anosibe. Tsy niandry ela fa omaly ihany dia nandefa taratasy tany amin’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo ny prefen’Antananarivo mba hampitsaharana ny asa ho fitandroana ny filaminana mandrapisian’ny fanapahan-kevitra vaovao, raha araka ny voasoratra ao amin’ilay taratasy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT