Sosialy

Tsena vaovao Behoririka Omena ny hafa ny karatr’ireo mpivarotra tsy tonga


  • Alarobia 08 Septambra 2021

Nanao fampilazana omaly ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (KAR) fa misy amin’ireo mpivarotra nahazo karatra no mbola tsy nandray ny toerana voatokana

 ho azy ireo ao amin’ny tsena vaovao Behoririka sy ny tsena vao navaozina ao Antaniavo. Napetraka ny fandaminana vaovao, hoy ny voalaza, ka omena ireo mpivarotra hafa izay miandrandra ny hiditra ao amin’ny tontolon’ny ara-dalàna izany karatra izany. Entanina ihany koa ireo mpivarotra rehetra anaty magazay tsy hamoaka ny entam-barotra eny amoron-dalana. Hisy sazy omena azy ireo raha toa ka tsy voahaja izany lamina izany, hoy hatrany ny avy eo anivon’ny KAR.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT