Sosialy

Tsena vaovao Behoririka Nisy mpivarotra nesorina tamin’ny toerany


  • Alatsinainy 18 Oktobra 2021

Manomboka misy zavatra tsy milamina sahady eo anivon’ny tsena vaovao Behoririka, kaominina Antananarivo renivohitra.

Mpivarotra manodidina ny 3 na 4 teo mantsy no voalaza fa nesorina taminy ny karatra maha-mpivarotra azy tamin’ny Sabotsy teo. Ny mpitantana ny tsena KAR- Kaomina Antananarivo Renivohitra sy ny " SMGD" no voalaza fa nanao izany. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia tsy nandray ny toerana efa nomena azy ireto olona ireto fa mbola nivarotra teny amoron-dalana ihany. Sorena araka izany ny kaominina Antananarivo renivohitra. Ireo mpivarotra eny ivelany koa eo an-daniny mbola marobe no tsy manana toerana, antony nanalana ireo efa nahazo karatra tsy te hanaraka fitsipi-pifehezana hiverina any amin’izay toerana mahamety azy. Efa nampitandremana hatrany moa ireto mpivarotra ireto saingy tsy nivaky loha, antony nampiharana taminy avy hatrany ny fepetra. Na izany aza dia fantatra fa tsy mahalafo mihitsy ireo mpivarotra ao amin’ity tsena vaovao Behoririka ity. Hifandrombahana izay mpividy miditra ao an-toerana no sady tambatambazana hahafahana mitondra vola mody.
Nangonin’i Pa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT