Sosialy

Tsena tetsy Analakely Noravan’ny CUA tsy nananany hantra


  • Zoma 29 Mey 2020

Vao maraina dia efa rakotra mpitandro filaminana sy mpiasan’ny kaominina nandrava ireo tsena manamorona eo Analakely mifanila amin’ny faran’ny zotra 137. Tsy an-kitsitsy, tsy nisy resaka fa tonga dia raikitra ny fandrodanana ireo tsenan’ny mpivarotra eo amin’ny 30 eo.

 

 

 

 

 

Toerana feno maloto sy tena nasiso teo taloha, ka nangatahan’ireo mpivarotra nohajariana rehefa nodinihina nandritra ny 3 volana, ka nivaly, ary afaka nanangana sy nandoha hofan-tsena ara-dalàna izahay, hoy ireo mpivarotra. Vao tapa-bolana no nivarotra noho ny fisian’ny fihibohana, ka vao nanokatra tsena dia nasain’ny kaominina nandoha ny hofan-tsena janoary, febroary, martsa, ary mey. Naka “avis de payement” tany Tsimbazaza, ary naloha tamin’ny kaominina ny vola. Herinandro taorian’izay, dia nambara hoe miala ianareo afaka 24 ora, hoy izy ireo. Arakaraka ny tsena fa misy ny 60 000Ar isam-bolana. Varotra no nataonay, kanefa tsy mba nisy fampiomanana. Omaly izahay no nahazo taratasy, ary androany dia io fa harodana io ny tsenanay, hoy izy ireo. Niezaka nanantona tany amin’ny kaominina talohan’izay, saingy milaza ho narirarira. Amin’izao krizy izao ve izahay no tokony hatao an’izao? Aiza no hanefanay ny voan’ny banky ? hoy ny fitarainan’izy ireo. Nampahatsiahy ny tenin’ny ben’ny tanàna Atoa Naina Andriantsitohaina tamin’ny fampielezan-kevitra hoe: “aoka izay ny tsindrihazolena atao amin’ny mpivarotra” ireo mpivarotra mahatsiaro ho lasibatra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT