Sosialy

Tsena sy fanjifana Tsy mahavelona intsony ny varotra akoho amam-borona


  • Talata 19 Aprily 2022

Tsy mahavelona intsony ny fivarotana akoho amam-borona, raha ny nambaran'ny mpivarotra tetsy Analakely ny sabotsy teo.

Efa fety ny andro nefa mbola vitsy ny mpanjifa, hoy izy ireo. Nangina tanteraka ny tsena. Zara raha nahalafo 2 na 3 ny tapakandro maraina. Raha ny taloha nefa dia herinandro mialoha dia efa mandeha be ny tsena. Efa nampoizina izao noho ny fahasahiranana izay efa iaraha-mahita. Efa tsy naka entana betsaka toy ny mahazatra intsony izahay, hoy hatrany ny mpivarotra. Mbola atahorana aza ny tsy hiverenan'ny mason-karena ka tsy afaka hanodina vola. Tsy niakatra ny vidin'ny akoho amam-borona tamin'ity taona ity. Ho an'ny akoho manokana, manomboka amin'ny 12.000 ariary ny vatombatony raha manomboka eo amin'ny 14.000 ariary ny gana ary ny gisa sy vorontsoloza kosa dia manomboka eo amin'ny 35.000 ariary eo, hoy hatrany ireo mpivarotra.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT