Sosialy

Tsena sy fanjifana Tafakatra 3.000 Ar ny kilaon’ny akondro


  • Talata 20 Septambra 2022

Ankoatra ny fiakaran’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro na ny PPN dia anisan’ny mampitaraina fatratra ny maro ihany koa ny fiakaran’ny vidin’ny akondro amin’izao eny an-tsena.

Raha anisan’ny voankazo fahita mandavan-taona eny an-tsena mantsy izy ireny no sady mora dia lasa tena lafo amin’izao. Tafakatra 3.000 Ar ny iray kilao raha 1.200 na 1.500 Ar izany teo aloha. Raha fehezina dia niakatra hatrany amin’ny 120% ny vidin’ny akondro eny an-tsena. Amin’ny ankapobeny anefa dia tena ilaina amin’ny fikarakarana ny fahasalamana ny akondro amin’ny ankapobeny. Manampy amin’ny ady amin’ny krampy izy ireny ankoatra ireo olona tsy ampy manezioma. Manampy betsaka amin’ny fandevonan-kanina ihany koa ny akondro raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo. Tsiahivina moa fa avy any amin’iny faritra atsinanan’ny Nosy iny ny ankamaroan’ireo akondro hamidy eto amintsika raha toraka izany koa ny avy any atsimo Atsinanana. Manotrika araka izany no tena hataon’ireo olona eto amintsika fa ny mamboly sy ny mamokatra azy dia saika avy any amin’ireo faritra roa ireo. Fanontaniana mipetraka araka izany ny hoe : tena niakatra hatrany am-potony tokoa ve ny vidin’ny akondro sa ireo mpivarotra eto an-drenivohitra no manararaotra mahita ny fiakaran’ny vidin’entana rehetra.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT