Sosialy

Tsena sy fanjifana Niakatra ny vidim-bary


  • Alakamisy 06 Septambra 2018

Nahitana fiakarana tato ho ato ny vidim-bary teny amin’ny mpamongady sy teny amin’ny mpivarotra antsinjarany. Tafakatra 88.000 Ariary ny gonin’ny vary makalioka raha 83.000 Ariary tamin’ny volana ambony.

 

Teo koa ny vary gasy izay misy efa tafakatra 90.000 Ar amin’izao ireo novidiana 85.000 Ar, iray volana lasa izay. Nanazava ny minisitry ny varotra Yvette Sylla fa tsy maintsy miakatra ny vidim-bary rehefa hiditra anatina maitso ahitra fa ny vidiny fotsiny no ezahina tsy hitombo be loatra satria io no foto-tsakafon’ny Malagasy. Ankoatra izay, nanambara ny tenany fa hamory ireo mpandraharaha mpanafatra vary amin’ity herinandro ity ny amin’ny hijerena ny vary hohafarana. Manoloana ny mbola fisian’ny vary lo dia nilaza handefa olona hijery eny ifotony ny minisitra ka hanidy avy hatrany orinasa sy handoro ny vary izay efa simba. Mametraka lamandy ny fanjakana ary ampidirina amin’ny kitapom-bolam-panjakana izany. Efa olana nisy teo aloha ihany ity fisian’ny vary lo ity ka mila andraisana fanapahan-kevitra hentitra mba tsy hampihinakinam-poana ny Malagasy.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT