Sosialy

Tsena sy fanjifana Miala any ny World Cola


  • Zoma 24 Jona 2022

Ranom-boankazo vaovao ho hita eny an-tsena Tsy tokony alahelo ireo mpisolo ny Coca cola.

Tonga eto amintsika ary nampahafantarina tamim-pomba ofisialy omaly mantsy ny fisian’ilay ranom-boankazo World Cola vaovao sy ny Djino ice tea pétillant. Ho an’itsy voalohany dia zava-pisotro misy gazy izy maka tsirona Cola, efa hita manerana ireo firenena 20 eo ho eo. Miavaka amin’ny tsirony mamy sy malefaka izy ary efa nandramana sy nahazoana fankatoavana avy amin’ireo mpisotro Cola marobe. Ny orinasa Star no mamokatra azy amin’ny tavoahangy 30 sl sy 100 sl amin’ny vidiny 1.000 sy 3.000 Ar. Mikasika ny ice tea djino indray dia misy gazy ihany koa izy miavaka amin’ny tsiro misy paiso sy hanitra dite. Marihina moa fa misy amin’ny tavoahangy 35 sl sy 120 sl ihany koa izy io amin’ny vidiny 1500 sy 3500 Ar. Tanjona ny hahafahana mamalifaly ny vahoaka Malagasy amin’izao fetin’ny Asaramanitra izao. Teny amin’ny Coliseun Antsonjombe ahitana ilay Star Tour Antananarivo no nampahafantarana ireo vokatra roa vaovao ireo.

Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT