Sosialy

Tsena Soamanatombo Tsy tafiditra izay tsy manao arotava


  • Zoma 22 Janoary 2021

Efa mampihatra feno sy tanteraka ireo karazana fepetra napetraky ny

 

 

 

 

prefektioran’Antananarivo ireo tobim-piantsonana rehetra eto an-drenivohitra. Ho an’ny tobim-piantsonana etsy amin’ny Fasan’ny Karana ohatra dia tsy maintsy mandalo ilay “tunnel désinfectant” avokoa ireo olona mifamezivezy ao an-toerana no sady tsapaina hafanana. Nametrahana toerana fanasan-tanana ihany koa isaky ny biraon’ny koperativa arahin’ny fanaovana arotava sy ny fanosorana gel. Toraka izany koa ny any anaty tsena rehetra manerana an’Antananarivo renivohitra. Tsy mahazo miditra any anatiny intsony ireo mpividy tsy manao arotava toy ny hita etsy Soamanatombo. Tsy maintsy manasan-tanana daholo ihany koa eo am-pidirana, arahin’ny fanajana ilay elanelana 1 metatra. Izany no hatao moa dia mba hahafahana miaro ny rehetra tsy ho lasibatry ny valan’aretina Covid 19, ka sanatria handrisika antsika hiditra ao anatin’ny fihibohana andiany faharoa araka ny feo mandeha indray.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT