Sosialy

Tsena Soamanatombo Tsy misy kolikoly izany, hoy ny lehiben’ny tsena


  • Zoma 03 Aogositra 2018

Raha niverimberina tamina gazety iray mpiseho isan’andro teto an-drenivohitra tato ho ato fa misy kolikoly ny fizarana tsena ao amin’ny tsenan’i Soamanatombo dia nivoaka tamin’ny fahanginany omaly ny lehiben’ny tsena Atoa Ramananjatovo Dimiherisoa Fidèle.

 
Nambarany fa tsy tompon’ny tsena akory ireo olona nilaza fa tompony ankehitriny ireo  sady tsy zanak’ilay Ramatoa maty izay tena tompon’ny tsena akory. Na dia nanafatra am-bava aza mantsy ity farany fony fahavelony, hoy izy, fa omeny iretsy voalohany ny tsenany rehefa maty izy dia tsy azo hifandovana ny tsena fa tsy maintsy miverina amin’ny kaominina ihany. Ankoatra izay, raha vao tsy misy olona milaza fa hikarakara ny tsena telo volana aorian’ny nahafatesan’ilay tena tompony dia raisin’ny kaominina ihany koa ny tsena ka tafiditra ao ilay tsena tsy hivarotan’ny tompony mandritra ny 15 andro. Ireo antony ireo no nanomezanay mpivarotra hafa nanao fangatahana sy nahafeno ny fepetra notakiana taminy fa tsy misy idiran’ny kolikoly mihitsy. Ny hateren’ny lalana mivoaka sy miditra noho ny hamaroan’ny mpivarotra no olana sedrain’ny tsena ao Soamanatombo ankehitriny.

 

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT