Sosialy

Tsena Soamanatombo Arahi-maso akaiky ireo mpivarotra


  • Zoma 10 Jolay 2020

Ho fisorohana ny fihanaky ny valanaretina coronavirus dia mitohy hatrany ny fanentanana ireo mpivarotra ny entana ilain'ny mponina amin'ny andavanandro ny amin'ny tokony hikatonan'ny tsena amin’ny 12 ora atoandro tsy diso.

 Anisan’izany ao amin’ny tsenan’i Soamanatombo. Tsy maintsy manaraka ny toromarika avokoa ny mpivarotra rehetra ao anatin’ny tsena ka ny lehiben’ny tsena mihitsy no manara-maso izany. Ho an’ireo minia mandika ny lalana moa dia fantatra fa handraisana fepetra manokana izy ireny. Ankoatra ny tsena tahaka itony dia fantatra fa tsy maintsy mikatona amin’ny 12 ora atoandro ihany koa ny toeram-panasan-damba na ny bassin ho an’ny daholobe, ny paompim-pokonolona…. Ho an’ny fitaterana indray dia tsy mahazo mitatitra olona ny sarety fa voasazy avy hatrany raha vantany vao tratra.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT