Sosialy

Tsena Pochard Tsentsin’ny voridamba ny tatatra


  • Alarobia 16 Jona 2021

Tsentsin’ny voridamba tanteraka ny tatatra fivarinan’ny rano maloto etsy amin’ny tsena Pochard Analakely

 

 

ka niteraka fofona maimbo sy fiparitahan’ny maloto ety ivelany. Tonga teny an-toerana nijery sy nanadio izany omaly ny SMA na ny Société d’Assainissement Municipal, sampandraharaha iray eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Ankoatra ny tavoahangy plastika sy ny sachet plastika dia anisan’ny nesorina betsaka tao anatin’ilay tata-drano eny an-toerana ireo voridamba sy ny fako maro samihafa nahatonga ny fahatsentsenana. Manentana ireo mpivarotra sy ireo mpampiasa ny tsena araka izany ny SMA mba hikajy ireny foto-drafitrasa iombonana ireny. Mandrora mitsilany ihany mantsy isika manao azy ireny indrindra fa rehefa fotoam-pahavaratra. Betsaka ihany koa ireo karazan’aretina vokatry ny loto ka tokony samy hitandrina ny rehetra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT