Sosialy

Tsena «Petite vitesse» Nihaino ny tarainan’ny olona i Dada


  • Alatsinainy 22 Novambra 2021

Nidina ifotony nihaona sy nifampiresaka tamin’ny vahoaka sady niantsena tetsy amin’ny “Petite Vitesse” ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

 Mijery anareo ety amin’ny “petite vitesse” aho, ary hitako fa tena tsy mandeha marina, mijery ny fahorian’ny olona, mila mitady vahaolana hividianan’ny olona hanina, hoy ity Filoha teo aloha ity. Nihaino ny tarainan’ny olona, izay tsy nisalasala nizara ireo olana samihafa mianjady. Sady tsisy rano, tsisy vary, tsy afaka miasa, ny EPP mbola handoavam-bola 25 000Ar, voantsika amin’izay ireo amin’ny 2023 fa mila mailo,… hoy ireo olona. Eo anatrehan’ny zava-misy sy ny tsy fahaizan’ny Fitondrana mamaha ny olam-bahoaka, dia nilaza ity Filoha ity, fa vahaolana amin’izany maka fahefana ihany, ny fahendrena dia manova toe-tsaina hoe: mila miray hina, ary jereo ny olona any ivelany any, fa rehefa misy tsy mety dia tsy manaiky lembenana. Na iza na iza no hitondra ny firenena, dia mila olona tena mahalala ny zavatra iainan’ny vahoaka I Madagasikara. Isan’ny olana oavana ho antsika hatreto ny fisian’ny hantsana sy elanelana be eo amin’ny entina sy ny mpitondra, ka zary mifanarika ny tokony ho laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka sy ny an’ny mpitondra. Mety samy afaka mandeha eny an-tsena sy maka sary ho akaiky ny vahoaka, saingy hatreto, tsy misy resaka tsanan’olona na fandokafana manokana an’I Marc Ravalomanana, fa tena afaka naneho an’izay mazava ity Filoha teo aloha ity, raha ny làlana nizorany. Nanangana ny orinasa malagasy vita Malagasy, lasa lasa ben’ny tanàna, avy eo Filoham-pirenena. Filoha tena nitety an’i Madagasikara niaina tany amin’ny fampandrian-tany ny 2001 tamin’ny “tour de Madagascar”, tao anatin’ny fitondrany 7 taona, ary mety tsy nisy nahavita ny vitany raha io satria izy avy sesitany dia mbola nitety indray. Ny propagandy 2018 dia mbola nitety indray, tena nahita ny zava-misy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT