Sosialy

Tsena Petite Vitesse Efa ahitana ilay vary 550 Ar ny kapoaka


  • Alatsinainy 18 Janoary 2021

Efa miroso amin`ny fampiharana ny vidin` ny vary ho 550 ariary isaky ny kapoaka

 

 

 

ny ankamaroan`ny mpivarotra. Hita izany etsy amin`ny tsena “Petite Vitesse” Isotry. Miankina amin`ny vidim-bary alaina eny amin` ny mpamokatra no hahafahana mijery ny vidim-bary eny an tsena. Samy manana ny fomba hamarotany vary anefa ireo mpamongady eny an-tsena ary misy mihitsy ireo no niditra anaty fatiantoka, hoy Salovaniaina Stephan, lehiben`ny tsena. Nanamafy ity tompon`andraikitra ity fa efa misy ny dingana ataon`ireo mpivarotra sy ny mpamongady hahafahana miroso amin`ny vidiny 550 ariary. Etsy ankilany, mangataka ity tomponandraikitra ity mba hisy mpanara-maso avy amin` ny minisitera mba ialàna amin`ireo mpanararaotra sy entana lany daty ihany koa. Etsy andaniny, nanambara ny minisiteran`ny varotra (MICA) ny herinandro lasa teo fa azo heverina fa hihena ny vidim-bary amin`ny herinandro satria efa manomboka mitsinjara ireo vary nafarana efa tonga eny amin`ny seranan-tsambon`i Toamasina amin`izao.

Marigny A

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT