Sosialy

Tsena mora Niteraka fitangoronana be


  • Talata 24 Martsa 2020

Isan’ny fepetra noraisin’ny fanjakana hoenti-mitsinjo ny vahoaka eo anatrehan’ny olana nateraky ny fanapahan-kevitra momba ny coronavirus ny fanaovana “Tsena mora”.

 

 

Natao io mba hanalefahana ny vidim-piainana sy ny fanararaotana mandeha amin’izao fotoana izao. Fepetra goavana noraisin’ny fanjakana hisorohana ny fipariahan’io areti-mandoza io ny fanafoanana ny fitangorongoronana amin’ny endriny rehetra. Izay no nanidiana ireny toeram-pilanonana, toeram-pisakafoanana lehibe,… Ny manahirana sy tsikaritra anefa omaly, dia tena niteraka fitangoronana sy filaharana izay tsy izy ny fisian’ny  tsena mora teto Antananarivo. Misy ihany ny olona manao tapim-bava, fa ny ankamaroany dia tsy manao. Tsy ny resaka piti-drora ihany anefa no mety hifindran’ny otrik’aretina, fa na amin’ny lamba aza izy dia mety ho velona hatrany amin’ny 8ora, raha sanatria misy olona voa mifampikasoka. Miharihary ny fahasahiranan’ny vahoaka, ka mirohotra milahatra. Isan’ny nahitana izany, ohatra, ny tetsy Andrefan’Ambohijanahary omaly. Efa ho 50 metatra ny filaharana, ary tena misy ny olona zary lasa manoko resaka sy toa tsy mahatsiaro akory fa voarara ny fitangorongoronana. Tokony hisy lamina na fepetra raisin’ny mpitondra noho izany satria zary lasa mifanipaka amin’ny fepetra noraisina ny zava-miseho. Fisorohana no nandraisana ny fepetra izay tsapa sy tsikaritra ho mampikolay ny maro kanefa izay no heverina ho mahasoa ka dia ekena sy toavina. Ny manahirana anefa dia toa zary mifanohitra tanteraka amin’ny tanjona napetraka indray ny zava-misy. Any amin’ny fanalefahana ny vidin’entana eny amin’ny tsena rehetra mihitsy no heverina fa vahaolana mba samy hanjifa an-kahalalahana ny rehetra, fa tsy hihazakazaka amin’ny tsena mora.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT