Sosialy

Tsena mora Miteraka savorovoro…


  • Alatsinainy 30 Martsa 2020

Ny sabotsy lasa teo nisy ny fampahafantarana fa miato aloha ny tsena mora eto Antananarivo eny anivon’ny Boriborintany 6, Atsimondrano, Avaradrano, ary Ambohidratrimo noho ny tsy fanajana ny lamina ara-pahasalamana.

 

 

Amin’ity herinandro ity no ambara fa hanambarana ny fiverenany sy ny fandaminana. Sakoroka ihany koa ny tetsy Antohomadinika 3G Hangar ny faran’ny herinandro teo ka nirohotra nitaky ny anjarany ny mponina. Nambaran’izy ireo fa ny fokontany hafa mahazo ka nahoana izy ireo no tsy mba hahazo. Nitaky ny fanesorana ny sefom-pokontany satria tsy mandray ny andraikiny, hoy ireo mponina efa somary nampiaka-peo. Tsy ireo tena zoky olona sy tena sahirana ihany koa avy eo no misitraka ny vary mora, rehefa tonga, hoy hatrany ny olona. Midika io fa misy ny tsy firindran’ny fandaminana, ary efa hatramin’ny fanombohana ny famarotana teny amin’ny Tsena mora ny fisiana fitangoronana, n any fanjakana izao aza no mandrara ny fivorivoriana sy namoaka ny didim-panjakana hijanonana any an-trano. Misavoritaka tanteraka. Raha ny tetsy Antohomadinika, dia isan’ny nampiaka-peo ny olona ny resaka fako sy ny tsy fandriampahalemana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT