Sosialy

Tsena Miaka-bidy ny saribao sy legioma


  • Alatsinainy 31 Janoary 2022

Ho an’ity farany ohatra raha mividy ananana 1500 Ar ny tokantrano iray mahavita laoka hilaofana vary mandritra ny tontolo andro dia tsy ampy intsony izany amin’izao raha tsy 3000 Ar

. Raha araka ny fanazavan’ny mpivarotra iray dia noho ny tsy fisian’ny anana sy ny legioma no mahatonga izany. Efa tafakatra 2000 Ar ihany koa ohatra ny kilaon’ny ovy raha mbola 1200 Ar teo aloha…. Saika matin’ny ranobe vokatry ny oram-pahavaratra sy ny andro ratsy avokoa mantsy izy ireny indrindra fa ny anana ka tsy misy firy intsony ny hamidy. Mikasika ny saribao manokana dia efa tafakatra 500 Ar amin’izao ny eraky ny famarana iray raha mbola nahazo teo aloha 100 sy 200 Ar. Ankoatra izay dia sady mando izy ireny izany hoe : sarotra hampirehetina no mbola mamono tena ihany koa ny sasany ka mahatsiaro sahirana ny mpanjifa. Efa tafakatra 60.000 Ar moa amin’izao ny iray gony amin’ny saribao raha 50.000 Ar izany teo aloha ho an’ireo gony salantsalany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT