Sosialy

Tsena malalaka ara-barotra « Tokony hanana tanjona isika mialohan’ny hidirana »


  • Alakamisy 01 Desambra 2022

Notanterahina mandritra ny roa andro teto Antananarivo ary nifarana omaly ny Dinika nasionaly hifanakalozan-kevitra sy hampahafantarana ny zava-misy momba ny ZLECAF na Faritra ara-barotra malalaka iarahan'ny firenena

mpikambana ao amin'ny Vondrona Afrikana izay tsena misy mponina 1,3 miliara. Mampieritreritra ny mpiantsehatra ny Minisitra Edgard Razafindravahy, nandritra ny lanonam-panokafana, alohan’ny hanaovan-tsonia ny fifanarahana momba ny ZLECAF. Tokony hanokatra ny masontsika ny fidiran'i Madagasikara tao amin'ny SADC sy COMESA, hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana raha nisintona ny sain’ny mpiantsehatra ara-toekarena sy ny mponina izy handanjalanja fatratra, alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra amin’ny hanaovan-tsonia ny fifanarahana momba ny ZLECAF. “Anisan'ireo firenena 54 nanao sonia ny fametrahana ny tsena ZLECAF i Madagasikara kanefa tsy mbola nanao sonia ny fifanarahana. Raha ny fiheverako dia ara-dalàna izany satria ilaina tenierana avy amin'ny mpiantsehatra ara-toekarena rehetra ary indrindra fankatoavana avy amin'ny mponina. Tsy isika irery tokoa no firenena mety hanana fisalasalana. Misy ireo firenena Afrikana miahotra hanokatra ny tsenany”, hoy hatrany ny Minisitra. Anisan’ny mahatonga fisalasalana ny ho fiantraikan’ny fanafoanana ny haba amin’ny tetibolam-panjakana. Ahiana hitombo ny fatiantoka ara-barotra. Kely ny ahondrana noho ny afarana. Mialoha ny hidirana amin'ny tsena malalaka dia tokony hanana tanjona isika hoy ny Minisitra. Voalohany amin’izany ny fananganana indostria matanjaka sy afaka mifaninana eto an-toerana. “Ilaina ny fotodrafitrasa handraisana mpampiasa vola tera-tany sy vahiny. Tsy misy dikany ny hisokafana amin'ny tsena Afrikana raha tsy hananana izay tanjaka ara- indostria izay. Tsy ahazo tombontsoa amin'ny ZLECAF isika raha tsy matanjaka ny Indostria eto an-toerana. Raha tsy manana vina mazava amin'ny Fampiroboroboana ireo vokatra azo ahondrana”, hoy izy.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT