Sosialy

Tsena Haraha-maso akaiky ny kalitaon’ny entana


  • Alarobia 12 Aogositra 2020

Ankoatra ny fanaraha-maso ny vidin’entana eny an-tsena sy ny fitsirihana ireo manafina na mikasa hanafina entana dia ho araha-maso ihany koa ny kalitaon’ireo entana amidy rehetra eny an-tsena ao anatin’izao ahamehana ara-pahasalamana izao.

 

 

Araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny indostria, ny varotra ary ny fampiroboroboana ny indostria na ny MICA dia ho amafisina indrindra io fitsirihana ny lafiny kalitao io. Mila manana ny sertifikam-panjifana avy amin’ity ministera ity ireo mpivarotra, hoy hatrany ny fanamarihana. Fepetra noraisina izy io mba hanampy ny fitandrovana hatrany ny fahasalaman’ireo mpanjifa ao anatin’izao valanaretina mbola miparitaka izao. Eo ihany koa anefa ny fampitomboana ny lanjan’ilay fahazoan-dalana manokana momba ireo entana azo amidy na AMC, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT