Sosialy

Tsena eto Antananarivo Mila politika fanarenana goavana


  • Alarobia 04 Septambra 2019

Efa manakaiky ny fifidianana ben`ny tanàna ary efa maro ireo nilaza hirotsaka, indrindra eto an-drenivohitra. Maro ireo sehatra mila jerena akaiky toy ny tsena.

 

 

 

 Mila fandaminana goavana mantsy ny tsena eto Antananarivo. Tsy hisy hanaiky hoesorina eto Antananarivo Renivohitra izany ny olona na androiray ao anatin'ny herinandro aza, toy ny tsena alakamisy eo Mahamasina. Ilaina ny fanadiovana ny tanàna matetika. Misy ny lalàna ka mila ampiharina. Ny lalan'ny mpandeha an-tongotra, raha tsy lasa tsena dia hananganan`ny hafa trano. Ilaina ny fanalalahana ny lalana na ho an'ny fiara na ho an'ny mpandeha an-tongotra.. Olona tena mpivarotra mandoa ny patanty sy ireo hetra sy haba rehetra tokony aloa no misitraka tsena kanefa toa zary lasa fitaizana ny olona hirona amin'ny kivarobarotra. Raha ny fampidiran-ketra eto Antananarivo aza tsy voafehy dia ahoana ny ifehezana ny fampidiran-ketra manerana an'i Madagasikara ? Tsy mahagaga raha manjaka ny kolikoly. Ny endrika tsena ho an'ny daholobe misy eto Antananarivo toy ny Pavillons Analakely dia mila hatsaraina, nefa io aza mbola tery loatra ny lalan'ny mpiantsena. Tokony hanintona olona ihany koa, tahaka ny taloha ny endrika tsena feno arcades na karazana lalana sy vavahadin-tsena iray manana karazan'entana manokana amidy. Iza amin`ireo kandidà no hitondra vahaolana amin`izany ?

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT